Fandriampahalemana

Mpanao trafikam-basy Iray volana tany am-ponja dia afaka


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Nikoropaka ny mponina tao Tsararivotra – Sambava omaly raha nahita olona voarohirohy ho mpanamboatra sy mpivarotra basy nefa miriaria eny amin’ny fiarahamonina sahady.

  Ny 10 novambra 2017 izy ireo no natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antalaha taorian’ny famotorana nataon’ny zandarimaria Sambava rehefa nahatrarana basy maro karazany miaraka amin’ny fitaovana fanamboarana izany tao amin’io tanànan’i Tsararivotra io. Iray volana aty aoriana anefa dia tafaverina eny anivon’ny fiarahamonina ireo voarohirohy, ka nanaovana lanonam-be. Nanazava ny Kapiteny Maguy Mahamandina, avy amin’ny kaompanian’ny zandarimaria Sambava fa “efa vita ny asanay avy amin’ny zandarimaria satria efa natolotray ny Fitsarana ny raharaha koa raha tsy ahitana fandikan-dalàna hafa indray tsy mihetsika izahay”.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT