MPANAO MASOBE TSY MAHITA

Kitay menaka no nataony solona finday lafovidy


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Rolahay mpanao ireny « jeux de mains » na hakingan-tànana sy masobe tsy mahita ireny indray

no saron’ny mpitandro ny filaminana ny faran’ny herinandro teo. Te-hanana finday raitra hiaka farany manara-penitra ireo olona sendra azy ka roboka nahafoy ny finday fampiasany sy volabe mba hahazoana izany. Sendra ny mpisera finday nanome taolana anefa izy ireo ka tafajoboka. Nandeha ny sera, natao ny andrana sy ny fijerena akaiky ilay finday izay tena izy tokoa. Nampidirina tao anaty fonosana misy azy izany rehefa vita ny fifanarahana dia nisaraka teo ny roa tonta. Nony tafiditra tao anaty taksibe anefa ireo olona voasera dia nosokafana ilay poketra kely namonosana ilay finday. Akory ny hagagany fa kitay menaka niendrika hazo fisaka namboarina hitovy amin'ny finday no hita tao. Teny Anosizato Andrefana moa no tratra izy roalahy ireo rehefa nokarohina ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT