MPANAO FANAFIHANA TANY BETAFO

Jiolahy iray lavon’ny polisy, nogiazana koa ny basiny


  • Talata 09 Jolay 2024

Voatifitry ny Polisin'ny Betafo ny jiolahy iray rehefa nikasa ny handositra

teo am-panoroana ireo namany omaly Alatsinainy 08 jolay tany Ankazobe, distrikan’ i Betafo.Raha tsiahivina kely ny tantara dia nosamborin'ny Polisy tao Moratsiazo, Betafo ity jiolahy ity afak’omaly Alahady noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Nilaza ny toerana misy ireo namany any Akazobe ity farany ka nanao be midina ny Polisy hirosoana amin'ny fisamborana.Nisy ny fifandonana teo amin'ny Polisy sy ireo jiolahy hita tao Ankazobe. Tamin'izany indrindra no nikasa nandositra ity jiolahy ity ka voatery nitifitra ny Polisy. Nahitana basy miisa 02 teny amin'ireo jiolahy.
Pati
Legende : Ilay jiolahy iray lavo sy ireo basy tratra tany aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT