MPANANKATO VIAVY CHILA

Nisy nanafika, entana maro no very


  • Zoma 24 Mey 2024

Nisy nanafika omaly Alakamisy 23 May tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro tany

ho any raha ny vaovao azo ny fiara nitondra ny mpanakanto Viavy Chila, ao anatin’ny groupe Mahangoma. Teo anelanelan’i Mandraka sy Manjakandriana tany amin’ny lalam-pirenena faharoa no nitrangan’izany. Jiolahy maromaro voalaza ho nisaron-tava no nanakan-dalana ilay fiara nentin’izy ireo no sady nanambana sy nandrahona tamin’ny fitaovam-piadiana maro samihafa. Tsy afa-nanoatra fa tsy maintsy niaro tena Viavy Chila sy ny ekipany ka very tamin’izany ny fanamiana saika hanaovan’ny ekipa sy ny entana maromaro. Na izany aza tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Marihina moa fa hiazo an’Antananarivo izy ireo no izao nisy nanafika izao saingy efa tonga soa aman-tsara ihany raha ny vaovaonay azo teo am-panoratana omaly hariva.
Pati
Legende : Fanamiana saika hanaovan’ireo ekipan’i Viavy Chila ao anatin’ny fampisehoana tahaka izao ireo very ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT