Mpanampy nivadi-pitokisana

Nentiny nitsoaka ny vola


  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

7 tapitrisa an'ny mpampiasa azy

Nitsoaka niaraka amin'ny vola 7 tapitrisa Ariary i Soa. Vehivavy mbola tena tanora, tokony ho 25 taona, salama saina tsara, fotsy fihodirana ary manan-janaka roalahy kely izy. Niasa tamin'olona tao Fandriana i Soa no niala tao amin'ny trano nipetrahany ny harivan'ny alatsinainy 24 Aogositra 2026, rehefa nifaoka ny volan'ny mpampiasa azy ary nandositra. Nalainy ary nentiny nanaraka azy ihany koa ireo zanany roalahy kely napetrany tany amin'ny mpitaiza zaza kamboty tao Fandriana. Nanao filazana fikarohana narahina sary naparitaka tamin'ny tambazotra sosialy ny mpampiasa azy ary nampanantena valisoa ho an'izay manam-baovao hahitana an'i Soa. Raha ny heno, omaly, dia lasa any Ikalamavony any, Distrika fiaviany ilay vehivavy nangalatra ny volan'ny mpampiasa azy io.
Jean D.
Ilay vehivavy anaovana ombay mitady
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT