Mpanakalo « devises » voatafika

Lasa ny 10 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Mpanakalo vola vahiny iray no voaambana basy ary lasa ny vola 10 tapitrisa Ariary

saika ho aterina na «versement», raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Hanatitra vola tao amin'ny City Center ilay olona ka vao nivoaka ny fiara ilay nitondra vola no io voaambana basy io. Nampandrian'izy ireo tamin'ny tany avokoa hatramin'ny mpiambina. Nipoitra avy ao anaty toeram-pivarotana na «pavillon» ireo jiolahy miisa 4 mitondra basy. Nandeha an-tongotra izy ireo. Nanao aroloha na «casque» ny 2 ary ny 2 hafa niseho endrika. Lasa nandositra ireo jiolahy taorian'ny fanafihana. 40 minitra taty aoriana no tonga ny Polisy sy ny Zandary, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT