Fandriampahalemana

Mpampiasa taksibe Ivato sy Ambohitrimanjaka Samy mangataka ny hampidirana koperativa vaovao


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Kaominina roa no nahitana ny fihetsehan’ny mpanjifa momba ny fampiasana taksibe ny sabotsy teo.

 

 

 Anisan’izany ny teny Ambohitrimanjaka noho ny fikasan’ireo mpitatitra hampiakatra ny saran-dalana mampitohy an’i 67 ha amin’ity tanàna iray ity ho 800 Ar manomboka ny sabotsy fiandohan’ny volana desambra ho avy izao. Vao  mainka mitotongana andro aman’alina mantsy ny kalitaon’ny asa omen’ireto taksibe mihazo an’Ambohitrimanjaka ireto ny mpanjifany, hoy ireo mponina ka anisan’ireny ny tsy fanajana. Nanangon-tsonia ireo mponina nanehoana ny tsy fahafaliany izay fantatra fa hateriny any amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety  ( ATT). Takian’izy ireo ihany koa ny hampidirana koperativa vaovao mba hisian’ny fifaninanana ka izay mety sy mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina no handehanany. Toraka izany koa ireo  mponin’ Ivato. Ho an’ity farany indray dia tsy mampaninona ireo mpanjifa ny fiakaran’ny saran-dalana ho 600 Ar, saingy tsy eken’izy ireo ny hanaovana ny tapa-dalana ho 500 Ar na dia mandingana tobim-piantsonana iray aza. Hetahetan’izy ireo ihany koa ny hampidirana koperativa hafa raha toa ka tsy vonona ny hifanaraka sy hanaja azy ireo ny ao amin’ny zotra D. Tsiahivina moa fa ankoatra  ireo mponin’Ivato dia tena mahita faisana ihany koa ireo vahiny mandalo eny an-toerana noho ny fihodinan’izy ireo an-dalana. Anisan’izany ny Ivato mihazo an’i Talatamaty dia mijanona, indrindra fa ny andro sabotsy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT