Fandriampahalemana

Mpampianatra lasa takalonaina Mitaky 20 tapitrisa Ariary ireo dahalo hamotsorana azy


  • Zoma 29 Desambra 2017

Lehilahy iray, mpampianatra ao amin’ny EPP Mananosoa Malaimbandy, distrikan’i Mahabo no nalain’ny dahalo an-keriny ny alalrobia alina teo. Mitaky vola 20 tapitrisa Ariary ireo mpaka takalonaina ho tambin’ny famotsorana azy.

Ny findain’ilay ramose no hifandraisan’ireo dahalo tamin’ny fianakavin’ilay takalonaina hatramin’ny omaly tamin’ny 11ora antoandro. Tsy azo nifandraisana intsony ilay finday taorian’izay. Lany fahana sa inona no nitranga ? Matetika no itrangana fakana takalonaina toy izao any Malaimbandy. Efa amam-polony no lasibatra tamin’izany. Mitaky volabe an-tapitrisany hatrany ireo mpaka takalonaina ho tambin’ny famotsorana ireo babony. Toa zary fitadivam-bola vaovao ataon’ny dahalo amin’iny faritra iny indray io fakana takalonaina io. Fihantsiana fanjakana sy mpitandro ny filaminana tsy misy toy izany ! Ny mahagaga sy mahazendana dia  tsy manana vahaolana hifehezana izany ny fanjakana hatramin’izao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT