Fandriampahalemana

Mpamily namono olona arovana olona ambony Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana


  • Alarobia 10 Jona 2020

Namoaka didy vaovao fampisamborana sy fampidirana am-ponja ilay lehilahy voalaza fa mpanakanto nahafaty olona teny Tsarasaotra ny herinandro lasa teo ny Minisiteran’ny Fitsarana.

 

 

 

 

Nampanantsoin’ny Minisitera ny fianakavian’ny maty nanoloana ny fitakian’izy ireo ny marina, ary maneho fiaraha-miory amin’ny maha Malagasy. Nihaino ny fitarainan’izy ireo, nifampidinika ny zavatra tokony hisy marina araka ny lalàna tao anatin’ny fahalalahana ny fitsarana, hoy ny sekretera jeneralin’ny Minisitera Atoa Imbiki Herilaza. Natao omaly ny fanohanana mikasika ity raharaha ity, ka nisy ny didim-pitsarana vaovao nanafoana ny fahafahana vonjimaika, hoy ny fanazavan’io tompon’andraikitra io. Mampigadra foana ny famonoana olona, rehefa misy ny fitoriana mahakasika izany. Raha ny nambaran’ireo fianankaviana moa dia tsy noraharahiana sy tsy nasian’ilay nahafaty ny havany hasina akory izy ireo. Minisitra iray sy solombavambahoaka iray avy any Atsimon’ny Nosy no voatonontonona ho miezaka mafy miaro ilay mpanakanto nahafaty olona noho ny fihaviana iraisana sy ny maha olon’izy ireo azy io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT