MPAMBOLY RONGONY AO AMBOHIBARY

Roalahy no tratra niaraka tamin’ny raviny efa maina


  • Zoma 07 Febroary 2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

maraina tao Sahabe, ao amin’ny Fokontany Mahatsinjo, kaominina ambanivohitr’Ambohibary, distrikan’Antsirabe II. Toeram-pambolena iray no nahatrarana azy ireo ka ny 2 gony kely sy ny 2 sachet no eo an-dalam-panamainana. Olona roa no sarona tamin’izany izay fantatra fa tompon'antoka tamin'ny fambolena sy fikirakirana ireto zava-mahadomelina ireto. Nongotaka tamin'ny fakany avy hatrany ireo bozaka mijoalajoala ireo ary nohiazana mba ho dorana aorian'ny famotorana hatao an'ireo olona voasambotra. Hatolotra ny fitsarana ny tsy ho ela kosa ireo voasambotra.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy iro fototra rongony tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT