MPAMATSY RONGONY ETO ANTANANARIVO

Efa mivarotra amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Lehilahy iray 25 taona no voasambotry ny Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena

misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelona Anosy teny Nanisana ny Sabotsy 17 Febroary rehefa nivaro-drongony tamin’nny tambajotran-tserasera Facebook. Ny voalohandohan 'ny herinandro lasa iny raha tsiahivina dia nahatsikaritra olona nanaparitaka sarina zava -mahadomelina mahery vaika tao anaty tambazotran-tserasera Facebook ireo tompon’andraikitra ao amin ' ity sampana ity. Voatery nandray fepetra avy hatrany izy ireo tamin ' ny fikarohana izay tao ambadik’izany. Natao ny vela-pandrika ka sarona tetsy Nanisana ity tovolahy iray ity. Tamin'ny fisavana azy dia mbola nahitana rongony " skunk " milanja 12 grama mahery teny aminy raha voan - drongony milanja 27 grama kosa no tratra tao amin 'ny trano fonenany. Fantatra fa avy any amin 'ny faritra Atsinanana ireo rongony ireo ka 12.000 Ar no handraisany ny iray grama ary hamidiny 15.000 Ar avy eo. Ankoatra ny fivarotana dia mamboly rongony ihany koa ny tenany, raha araka ny fanazavany. Natolotra ny Fampanoavana afak’omaly 19 Febroary 2024 ny anaolahy naiditra am - ponja vonjy maika eny Antanimora. Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra teny Nanisana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT