Mpamatsy rongony eny Ampefiloha

Lehilahy iray nidoboka eny Antanimora


  • Talata 19 Septambra 2023

Lehilahy iray 36 taona ,fantatra fa ati-doha amin’ny fanaparitahana rongony eny amin’iny faritra Ampefiloha

Ambodirano iny no nosamborin’ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina ny Alakamisy 14 Septambra lasa teo. Raha araka ny fantatra dia efa tena mampikaikaika ny olona eny an-toerana mihitsy ny fisian'ireo mpivarotra rongony eny amin’ny faritra misy azy izay mitarika ireo tanora hirona sy hilona ao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Tratra teo am-pivarotana rongony mihitsy moa ity lehilahy ity. Rongony 29 fonosana milanja 200 grama no hita teny aminy nandritra izany. Rehefa natao famotorana moa ny anaolahy dia nilaza izy fa ra-Bebe eny Ambohimanarina izany no hakany 1 sachet ka 20.000 Ar no hividianany azy ary tsinjarainy amin’ny fonosana mba hoamidiny 500 Ar isanisany izany avy eo. Mahalafo 15 fonosana isan’andro izy araka ny araka ny voalazany . Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ny anaolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT