Voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina Anosy teny Itaosy ny vehivavy iray 30 taona sy lehilahy roa 20 ary 23 taona afak’omaly 26 oktobra tokony ho tamin'ny 12ora sy 30mn rehefa nivarotra rongony.
Ny 24 oktobra teo raha tsiahivina kely ny tantara dia tra-tehaky ny Polisy teo am-pidorohana zava-mahadomelina ny ankizy lahy roa tsy ampy taona. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana no nahafahana namantatra ny anarany ka nahafana nisambotra ny olona nividianan'izy ireo ilay rongony izay nidorohany. Nidina teny an-toerana izy ireo ka tra-tehaka teny Ambaniala Itaosy izy telo mianadahy voalaza ireto. Mbola nahatrarana rongony miisa 88 isa teny amin'izy ireo nandritra ny fisamborana azy. Niaiky ireto farany fa mamatsy iny toerana iny amin'ny famarotana zava-mahadomelina toy itony. Maro ny manjifa izany ao aminy ka an'isany izany ireo zaza tsy ampy taona.
Pati
Legende : Ireto izy telo mianadahy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.