Fandriampahalemana

MPAMATSY RONGONY AN’ANKADINDRATOMBO


  • Talata 30 Janoary 2024

Vehivavy roa 34 sy 38 taona no nalefa eny Antanimora

Anisan’ny faritra mena amin’ny fivarotan-drongony ihany koa ny eny amin’iny faritra Ankadindratombo iny. Tsy lehilahy toy ny mahazatra intsony no manao izany fa efa betsaka ny vehivavy toy ireo miisa roa tratra teny Ankadindratombo ny 25 Janoary teo. 34 sy 38 taona izy ireo izay marihina fa efa Renim-pianakaviana avokoa. Na izany aza efa fantatry ny mpitandro ny filaminana ny fisian’izy ireo. Tsy niandry ela iretsy voalohany fa nidina teny an-toerana ka tratra ambodiomby teo am-pivarotana rongony mihitsy izy mirahavavy. Ilay voalohany 34 taona nahatrarana rongony 72 fonosana sy rarany milanja 400g. Mahazo vola 20.000 Ar isan’andro tombony amin’ilay entana hamidiny izy mandritra izany. Iray volana no nanaovany ity asa ity. 80 fonosana sy rarany milanja 400grama kosa no vidiany eny Namontana ary tsinjaraina sy hamidiny. Ilay faharoa 38 taona kosa nahatrarana fonosan-drongony miisa 15 . Ity farany moa eny amin’inny faritra Alasora iny no mividy izany isan-kerinandro. Ny volana desambra 2023 no nanomboka nivarotra rongony ny tenany ka 1.000 Ar no hamarotany ny iray fonosana. Lehilahy ihany no mpanjifa izany eo aminy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy mirahavavy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa any am-ponja izy mirahavavy ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT