Fandriampahalemana

MPAMATSY ODY GASY NY DAHALO Lehilahy iray tratra teny Belo sur Tsiribihiana


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Lehilahy iray, 45 taona, voalaza ho mpamatsy ody gasy ny dahalo any amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina no nosamborin’ny polisim-pirenena tany amin’ny kaominina ambanivohitra Tsimafana ny 14 oktobra teo.

 

 

 Ny 11 Oktobra lasa teo no nahare vaovao mikasika ny ratsy hataon’ity lehilahy ity ny mpitandro ny filaminana. Niroso avy hatrany tamin’ny famotorana ireto farany ka fantatra nandritra izany ary fa avy any amin’ny distrikan’i Mahabo ity lehilahy ity, ary efa malaza ratsy amin’ny famatsiana ody gasy ireo dahalo ao Belo. Tamin’ny fisavàna ity lehilahy ity moa dia ody gasy maro toy ny mohara, sy tapakazo maro no tra-tehaka teny aminy. Nogiazana avy hatrany ireo ody gasy marobe ireo ary nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny CSPD Belo Tsiribihina ilay lehilahy. Mbola mitohy ny fanadihadiana azy.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT