Fandriampahalemana

Mpamatsy “Chanvre Indien” ao Antalaha Tratra niaraka tamin’ny basy vita gasy


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Mahazo vahana ny fifohana sy ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika toy ny rongony mahery vaika “chanvre indien”

any amin’ny distrikan’Antalaha. Voasarika hatramin’ireo zaza tsy ampy taona, antony nanaovan’ny polisy any an-toerana hetsika. Olona miisa 6 no indray voasambotra afak’omaly 05 Aogositra tontolo andro. Ny roa tao Andampisoa, sektera 09, kaominina ambanivohitr’Antalaha izay vehivavy 49 taona sy lehilahy 40 taona. Sabotsy maraina no nahatrarana azy ireo. Lehilahy miisa 03 sy vehivavy 01 indray no sarona tao amin'ny fokontany d'Ambatomitraka nony atoandro ny andro. Lehilahy miisa roa hafa indray 23 sy 34 taona no tratra teo am-pifohana rongony mbola tany an-toerana ihany tamin’io afak’omaly Sabotsy io ka rehefa nosavaina izy ireo dia mbola nahitana fonosan-drongony maromaro ka nandritra izany no nanorohan'izy ireo ny mpamatsy azy. Lehilahy 35 taona sy vehivavy 29 taona no tompon’antoka tamin’izany izay mbola tratra teo am-pivarotan-drongony tao an-tokantranony ihany. Mbola nahatratrarana rongony maromaro ihany koa tao amin'izy ireo. Rehefa nanao ny fikarohana sy fisavana lalina moa ny Polisy dia nahita basy vita gasy 01 ihany koa tao amin’izy roa izay nafenina tao ambany kidoro. Hiakatra fampanoavana anio Alatsinainy 07 Aogositra ny raharaha.
Pati Legende : Ireto izy roa sy ilay basy vita gasy tratra tao aminy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT