MPAMAKY TRANO TAO MAHAJANGA

Tratra niloloha tele teny an-dalana


  • Talata 24 Septambra 2024

Tovolahy miisa 02 no voasambotry ny Polisin’ny UIR miasa ao Mahajanga,Fitaleavam - paritry

ny Filaminam- bahoaka Boeny tao amin'ny Fokontany Corniche Mahajanga rehefa namaky trano alin'ny 22 Septambra hifoha 23 Septambra teo. Nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisy tao amin'ny tampon-tanànan'i Mahajanga no nahatsikaritra lehilahy iray nilanja vata fahitalavitra iray izy ireo. Rehefa nohatomorina dia fantatra fa tsy dia nazavazava ny fiavian’ity vata fahitalavitra noentiny ity. Avy hatrany dia noetina namonjy ny birao moa ity farany. Fantatra tamin’izany fa avy nangalariny ilay entana noentina ary mbola nanondro ny namany iray izy izay voalaza fa niaraka nanatanteraka taminy ilay asa ratsy izy. Nosambirina koa ilay namany. Mbola nahitana karazana entana halatra hafa koa moa ity farany nandritra ny fisavana natao taminy.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT