MPAMAKY TRANO NANANTENA ZAVATRA

Hatreo am-bavahady ihany no nindramany ilay « écran plat »


  • Alarobia 21 Mey 2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Mpamaky trano iray indray no nanantena zavatra kinanjo hatreo am-bavahady ihany no nindramany ilay ecran plat nobatainy avy tao an-tranon’olona. Ny Alahady 18 May lasa teo no nitrangan’izany teny Ambohimanambola tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Raha araka ny fantatra dia tsikaritry ny tompon-trano avy aty ivelany izy io. Niantso zandary ireto farany ka samy nanara-maso ny roa tonta. Minitra vitsy monja dia nivoaka Ingahirainy ary nisaoty varavarankely niaraka tamin'ilay fahitalavitra fisaka. Nitsena azy amin'ny endrika miramirana ny tompon-trano sy ny zandary. Izy kosa nivalomainty ohatra ny godorao nohosorana arina sady nanolotra tsy fidiny ilay entana nindramina 2 minitra monja. Mponina eny Mananjara Paraky Ankadimbahoaka Ingahirainy no tonga manao fanazaran-tena misabàka varavarankely teny Ambohimanambola saingy izao tratra izao. Efa nalefa naka saika vonjimaika eny Antanimora ny anaolahy.
Pati
Legende : Feno mpamaky trano sy mpanendaka tahaka izao ao Antanimora !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT