Mpamaky trano

Efa niaraka tamin’ny mofo dipaina misy poizina kinanjo….


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Tovolahy iray vao 19 taona avy nivoaka ny fonja tamin’ny volana Jolay lasa teo no

fantatra fa saron’ny zandarimariam-pirenena teny Ambohimangakely indray ny Talata 20 nifoha Alarobia 21 Aogositra teo. Tmin'ny 12 ora alina izy io no nifanena tamin'ny zandary mpanao fisafoana. Kaodikaody sy mahimahina izy nandritra izany ka nosavaina ary nosamborina noho ny fahitana fitaovana sy entina manao ratsy tany aminy. Anisan’izany ny Clés maromaro plats, pipe ary étoiles izay hampiasaina hamakiana fiara. Niampy tapa-mofo dipaina misy poizina sy paraky entina hanapoizinana alika alohan'ny hanaovany asa ratsiny izany. Misy namany hono saika hiaraka taminy saingy tsy hitany no sady tsy hainy ny anarany.Natolotra ny fitsarana moa ny anaolahy ka dia niverina nody eny Antanimora indray hihinana mangahazo.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT