MPAMAKY TRANO AO TOAMASINA

Efa mian-dahy miam-bavy mihitsy


  • Talata 05 Martsa 2024

Efa mian-dahy miam-bavy mihitsy amin’izao ireo mpamaky trano

sy mpanao afera maloto ao Toamasina. Tsy hay intsony na mpifankatia izy ireny na mpivady fa tena mahay miara-miasa tokoa. Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ ny Fitaleavam - paritry ny Filaminam - bahoaka DRSP Atsinanana tao amin’ny faritra hiandraiketany ny lehilahy iray 26 taona sy vehivavy iray 42 taona ny 03 Martsa teo rehefa namaky tranon’olona. Ny 01 Martsa teo tokony ho tamin’ ny 05 ora maraina raha tsiahivina dia nisehoana halatra miaro vaky trano tao amin’ny tokantrano iray tao Ampanalana parcelle 14/11 tao Toamasina. Lasan’ ireo mpanao asa ratsy nandritra izany ny kojakojan’entana sy ny vorona tao an- trano. Taorian’ny fitarainana nataon’ny tompon- trano, nikaroka ireo tsy mataha - tody ny Polisy. Anisan’izany ireo mpandray entana sy ny mpandray anjara mivantana. Fantatra ny toerana misy azy ireo sy ny trano fonenany ka nosamborina avy hatrany izy. Fantatra fa fa mpameri - keloka moa ity lehilahy ity, ilay vehivavy kosa mpandray ny entana halatra entiny.Nandritra ny fisavana ny trano fonenany, mbola nahitana solosaina enti-tanana halatra sy chargeur ary “Toaka Gasy “ 15 l natao tao anaty bidon teny aminy. Natolotra ny Polisin’ny SRPJ (Service Regional de la Police Judiciaire )Atsinanana izy ireo nanohizana raha anio Talata kosa no hiakatra fampanoavana.
Pati
Legende : Ireto izy roa tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT