Fandriampahalemana

Moto very tetsy amin’ny parking 67 ha Saika namidy 3 tapitrisa Ar, tratra ilay mpanera


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy ao amin'ny Sûreté Urbaine de Tananarive momba ilay halatra moto nitranga ny herinandro lasa teo teny amin'ny Parking 67ha.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia moto very tamin'ny 14 janoary izy io, mitondra ny marika Honda 125 ary nanaovan'ny tompony fitarainana. Nisy lehilahy iray milaza fa manana an'izany moto tadiavina izany ka hamidy amin'ny vidiny 3.000.000 Ar izany. Natao ny famotorana rehetra ka tamin’ny 21 janoary teo no nojerena teny amin’ny 67 ha parking ilay moto. Efa nametraka ny vela-pandrika rehetra ny Polisy tamin'izany ka rehefa tonga teo ilay mpanera dia niantso ilay namany manana ilay moto. Vao hitan'ity farany avy lavitra anefa ilay tompona moto very dia lasa nandositra avy hatrany izy niaraka tamin'ny moto. Nosamborina avy hatrany ilay mpanera raha tafatsoaka kosa ilay namany niaraka tamin'ny moto ka nentina tany amin'ny birao nanaovana fanadihadiana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa 1.000.000 Ar no anjaran'ity mpanera ity rehefa lafo ilay moto halatra. Milaza kosa izy fa tsy mahafantatra na halatra na tsia ilay moto. Natolotra ny fampanoavana afak’omaly alatsinainy ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpanera saika hivarotra ilay moto.
Pati
Legende : Ity ilay mpanera moto nalefa eny Antanimora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT