MOTO VERY TAO MAROANTSETRA

Efa novain’ireo mpangalatra ny endriny


  • Talata 27 Febroary 2024

Lehilahy miisa roa, 33 taona sy 27 taona no voasambotra tao Maroantsetra ny

Zoma 23 Febroary lasa teo rehefa nahazoana angom-baovao mari-pototra fa nangalatra moto an’olona. Nanaovana vela-pandrika ny nikarohana ilay moto halatra ka tokony ho tamin'ny 7 ora hariva no tratra teo akaikina trano fandraisam-bahiny iray tao amin'ny Fokontany Ankiakandrefana, kaominina ambonivohitr’i Maroantsetra ny lehilahy iray miaraka tamin'ilay moto nifampitadiavana. Noho ny fanoroan'io lehilahy io ny mpiray tsikombakomba aminy dia tratra tao amin'io fokontany io ihany koa ny namany iray izay niaraka nanao ny asa ratsy taminy. Rehefa nozahana ilay moto dia efa norakofan'ireo mpanao ratsy tamina hoditra mainty ny fitoeran-dasantsin'ity moto ity mba tsy hisy hahafantarana azy intsony kanefa fantatra ihany. Omaly Alatsinainy 26 Febroary moa no niakatra fitsarana ny raharaha.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ilay moto nangalariny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT