Fandriampahalemana

Moto very narahina fitakiana vola be Olona ambony roa natao famotorana


  • Alakamisy 05 Aogositra 2021

Olona roa ambony voalaza fa miasa amina andrim-panjakana iray eto amin'ny firenena no natao famotorana teny anivon’ny sampana ady heloka bevava eny Fiadanana

. Raha tsiahivina kely dia tamin’ny Alatsinainy folakandro teo izy ireo no nalaina teny akaikin'ny Domaine Alasora.Ho an’ireo izay tsy naharaka dia vehivavy iray mipetraka eny Alasora no very moto teny Ankazomanga manoloana ny toeram-pivarotany, andro maromaro lasa izay. Folo andro taty aorian'izay dia nisy olona 3 niaraka tamina fiara tonga teo aminy ary nilaza fa kolonely sy kaomisera. «Nentin'olona handeha hamono olona ny moto-nao hoy izy ireo tamin’ilay vehivavy ka tokony handoa 10 tapitrisa Ar ianao raha tsy te-higadra». Raiki-tahotra noho izany ilay Ramatoa tompona moto ka nanome io vola io raha ny fantatra. Tsy nijanona teo anefa ireo mpitaky vola fa niverina fanindroany indray ny 29 Jolay lasa teo ka nitaky 40 tapitrisa Ar fanampiny. Rehefa nifampiresaka ny roa tonta dia raikitra fa haidina 30 tapitrisa Ari zany. Nametraka fitoriana teny amin'ny poste avancé Alasora anefa ilay Ramatoa .Natao ny vela-pandrika nandritra izany ka nomena fotoana teny By-pass, akaikin'ny Domaine ireo olona roa ireo mba haka ilay vola fanampiny indray. Noraisim-potsiny izy ireo nandritra izany ary fantatra tamin’izany fa mpiasa ambony ao amina andrim-panjakana iray tokoa izy roalahy ireto. Efa miroso tanteraka amin’ny fanadihadiana lalina moa ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT