MOTO NIJANONA KA VERY TETSY BEHORIRIKA

Tratra tao amin’ny trano vao amboarina teny Tanjombato


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Nametraka fitarainana ny tompony ka nandray ny andraikiny nanao fikarohana ny polisy. Omaly Alarobia 27 Martsa tokony ho tamin'ny 11 ora 15 teo ho eo no tratran'ny Polisy tao amina trano iray vao amboarina ilay moto. Raha ny fantatra dia moto miasa amina orinasa iray ity moto ity ary nanatanteraka ny asany ilay nitondra azy ka nametraka ilay kodiaran-droa teo amin'ny fiantsonana ao amin'ny Ostie Behoririka ny marainan'io ihany. Rehefa nivoaka ilay olona nitondra ilay moto dia efa tsy teo intsony ilay fitaovam-pitaterana. Nojerena ny GPS ka hita fa nizotra nandeha teny tanjombato ilay lalana nitondran'ny mpangalatra azy. Nataon' ny Polisy ny fanadihadiana rehefa nahazo angom-baovao izy, ka tratra tao amin'ilay trano andalam-panamboarana ilay moto halatra, sy ny lehilahy iray 30 taona. Efa voaala avokoa ireo fitaratra (rétroviseur) teo amin'ilay moto tamin'ny fahatongavan'ny Polisy teny an-toerana, ary efa saika ho vahana avokoa ireo bilao taminy. Noentina teny amin'ny biraon'ny Polisy avy hatrany ilay jiolahy sy ny moto ka niroso tamin'ny fanadihadiana avy hatrany. Notazonina vonjimaika eo anivon'ny Polisy ity lehilahy ity ary fantatra tamin'izany ihany koa fa monina ao Mandrangobato Anosibe izy no manao izao asa ratsy izao.
Pati
Legende : Tonga hatreny Behoririka ity lehilahy ity mpangalatra moto an’olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT