Fandriampahalemana

Moto nifandona tamina taxibe 180 Tovolahy iray maty tsy tsa-drano


  • Talata 15 Septambra 2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona afak’omaly alahady 13 septambra hariva teny Ambodivoanjo lalana Andriantsihoarana Ratsimbazafy tokony ho tamin’ny 07 ora sy 20 minitra hariva.

 

 

 Fiara Mercedes Benz 207 D ao amin’ny Taxi be zotra 180 nizotra ho any amin’ny Pullman Ivandry no nifanehatra tamin’ny Moto Yamaha jog pro tsy misy laharana handeha ho any Analamahitsy. Noho ny hamafin’ny fifandonana dia nivadika ilay moto ka nitarika ny fahafatesan’ilay nitondra azy izay tovolahy vao 33 taona monja. Nalefa avy hatrany teny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha moa ny razana taorian’izany. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ny zava-nitranga ny mpitandro ny filaminana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT