Fandriampahalemana

Moto nangalarina tao an-tsekoly Mpangalatra efa karohina fatratra no nahatrarana azy


  • Talata 25 Oktobra 2022

Tovolahy iray 22 taona no nosamborin’ny Polisin’ny Brigade féminine de Proximité tao Toamasina ny 21 oktobra teo tokony ho tamin’ny 04ora hariva rehefa tratra nangalatra moto tao amina sekoly iray.

Moto nipetraka tao amin’ny toeram-piantsonana tao amin’ny Ecole Notre Dame de Lourde ao Toamasiana izy io raha araka ny loharanom-baovao azo no nangalarin’ity tovolahy ity. Tazan’ny tompony nanosika io moto io ity farany ka niantso ny Polisin’ny BFP izay niasa tsy lavitra teo ity farany. Nosamborina avy hatrany ilay ranamana nanoloana izany. Rehefa natao ny fanadihadiana mikasika azy dia fantatra fa efa fanaony izao asa ratsy izao ary efa karohin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fatratra izy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay ranamana sy ilay moto nangalariny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT