Fandriampahalemana

Moto halatra teny Analakely Efa nisy nivarotra indroa tamin’ny vidiny 1.200.000 Ar


  • Talata 27 Desambra 2022

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Commisariat Central Tsaralalana ny zoma 23 desambra 2022 teny Analakely sy tany Soavimasoandro noho ny resaka halatra Moto.

Nitondra moto nandeha nivavaka ity lehilahy iray ny 17 desambra 2022, napetrany teo amin’ny Parking ilay moto. Rehefa nivoaka handeha hamonjy toeram-pivavahana anefa izy dia nahatrikaritra fa tsy teo amin’ny fitoerany tsony ilay moto-ny. Nametraka fitarainana sy fitoriana teny amin’ny Polisy avy hatrany izy. Nilazany koa ireo fianakaviany noho izao fahaverezan’ny moto-ny izao. Tazan’ireo fianakaviany teny Antanimena ilay moto halatra saingy tsy tratran’izy ireo tsony rehefa handeha hijery izany izy ireo. Ny zoma 23 desambra 2022 tokony tamin’ny 10 ora maraina kosa dia tazan’ilay tompona moto teny Analakely ilay motoany very ka noraisim-potsiny ilay lehilahy iray nitondra azy. Noentina avy hatrany teny amin’ny Polisy tao Tsaralalana ity farany ka nilaza fa moto novidiany ity moto halatra ity. Novidiany tamin’ny olona iray tanana aminy ihany ka 1.900.000 Ar ka efa nandraisan’ilay mpivarotra 1.200.000 Ar. Natorony avy hatrany ilay olona nivarotra azy ilay moto ka tratra tao Soavimasoandro ilay lehilahy . Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nilaza ihany koa izy fa moto novidiany ity namidiny ity ka 1.200.000 Ar no nividianany azy ary olona nandalo no nividianany izany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy ka naiditra am-ponja vonjimaika ihany koa mba hisaintsaina ny zava-bitany aloha.
Légende : Nampidirina am-ponja vonjimaika izy roalahy voarohirohy tamin’ilay raharaha varotra moto halatra
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT