Misy mitonon-tena toy ny lolofotsy mihitsy ireo mpangalatra moto eto amintsika.
Vao avy hangalariny ny sasany amin’izy ireny dia hampiasainy eny Analakely. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ny 05 Desambra lasa teo no nisy jiolahy miisa roa nandroba taxi-moto teo anelanelan'Ambatolampikely sy Malaza Fokontanin’ Ambohidralambo, kaominina ambanivohitra Ambanitsena. Lasan'ireo jiolahy tamin’izany ilay moto sy taratasiny. Ny 06 Desambra lasa teo dia nametraka taratasy fitarainana teo anivon'ny zandarimaria Carion ny tompon'ilay moto marika Yamaha Cygnus T2. Nokarohina ilay moto nanomboka teo ka fantatra ny 18 Desambra teo fa misy mampiasa ao Analakely ao ihany ity kodiaran-droa ity. Nidina ifotony ny zandary ka voasambotra niaraka tamin'ny moto ireo mpividy halatra roalahy. Nitohy ny fanadihadiana ka voasambotra tao Analakely ihany koa ilay atoi-doha niketrika ny halatra. Ny 20 Desambra teo dia voasambotra koa ny namany iray. Nandritra ny fisavana ny tranon'izy ireo dia nahitana taratasina moto marobe tany aminy. Natolotra fitsarana moa izy ireo ka voatazona am-ponja ny roalahy nanao ny fandrobana raha miandry fotoam-pitsarana ny ambiny rehetra.
Pati
Legende : Ireto ireo tambajotra mpiketrika halatra moto eto an-drenivohitra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.