Fandriampahalemana

Morondava Tratra ireo mpanafika tobin-solika


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

voasambotry ny polisy miasa ao Mahabo, DRSP Menabe ireo jiolahy roa nanafika ny tobim-pivarotan-tsolika iray Andakabe Morondava ny marainan’ny alakamisy teo. Nahitana sakaosy nisy vola 2.115 000 Ar sy ody gasy ary bala PA iray tany amin’izy ireo,

 

 

 

Tsy ela fa tamin’ny zoma alina lasa teo ihany tokony ho tamin’ny 12 ora alina dia vola izao azony tamin’io asa fanafihana io. Tsy mbola nisolo akanjo ireo jiolahy taorian’ilay fanafihana nataony antony nahamora ny fisamborana azy. Raha tsiahivina moa dia pompiste iray no norobain’izy ireo ka nalainy avy hatrany ilay sakaosy kely tany amin’ity farany izay nisy ny volan-tsolika rehetra maty. Nandrahona ny hitifitra ny iray tamin’ireo jiolahy nandritra izany . Kalachnikov sy poleta mihitsy no tsikaritr’ilay voatafika teny an-tanan’ireto jiolahy ireto nandritra izany ary nanapoaka basy izy ireo no sady nandositra rehefa azony izay nilainy.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT