Fandriampahalemana

Morondava Tratra ilay jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Jiolahy rain-dahiny miisa 02 no saron’ny Polisy miasa ao Morondava rehefa namaky trano ny faran’ny herinandro teo.

Efa andro maromaro tokoa raha tsiahivina dia nisesisesy ny vaky trano tao an-tampo-tanànan'i Morondava izay nampihorohoro ireo mponina tany an-toerana. Nanamafy ny fisafoana sy ny paik’ady nanenjehina ireo jiolahy ireo ny Polisy araka izany ka nahitam-bokany izany. Rehefa nosavaina ny tranony miisa 02 ao Morondava dia nahitana karazan’entana maro halatra toy ny vata fahitalavitra, solosaina, kojakojan-tokantrano maro, finday maro isan-karazany, akanjo ary ody gasy izay hampiasain’ity jiolahy ity rehefa manao ny asa ratsiny. Araka ny fantatra anefa dia tsy mandeha irery ity jiolahy ity rehefa manao ny asa ratsiny fa misy namany maro hafa ary efa voasambotra tao Ankisirasira ihany koa ny iray tamin'izy ireo ary efa notazomina eny amin'ny biraon'ny Polisy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana atidoha tamin’ny vaky trano tao an-tampon-tananan’i Morondava
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT