MORONDAVA

Tanana roa indray voatafika, olona iray namoy ny ainy


  • Zoma 29 Desambra 2023

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Morondava, Faritra Menabe.

Renim-pianakaviana iray no voatifitra nandritra ny fanafihan-dahalo tao Antsiraraka kartie faharoa afak’omaly Alarobia alina nifoha omaly Alakamisy tokony ho tamin'ny 11 ora.Omby moa no saika halain' ireo tsy mataho-tody kinanjo izao nitifitr'olona izao izy ireo rehefa tsy nahita izany. Efa nahazo fitsaboana ao amin'ny hopitaly Betelan’i Morondava ilay renim-pianakaviana. Fanafihan-dahalo hafa ihany koa no nitranga tao Antsiraraka kartie fahadimy tamin'io afak’omaly alina io ihany izay nahafatesana tompon'omby iray.Tafavoakan'ny vala ireo omby saingy niparitaka ka tsy voafehin'ireo dahalo. Vaky nandositra ireto farany noho izany rehefa nanao antso vonjy ny fokonolona. Miantso ny amin’ny tokony hijeren’ny fanjakana ny fandriampahalemana any an-toerana noho izany ireo mponina fa efa tena mihatra aman’aina hatrany izy ity.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana lasibatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT