Fandriampahalemana

Morondava Renim-pianakaviana roa maty nisy naka ny masony


  • Talata 26 Jolay 2022

Tena mirongatra ny halatra maso any amin’ny faritra Menabe. Renim-pianakaviana 2 indray mantsy no fantatra fa namoy ny ainy ny 23 Jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 07 ora hariva tao amin’ny Fokontany Ampataka,

kaominina Marofandilia rehefa nalain’ireo olon-dratsy ny masony. 30 km miala ny renivohitr’i Morondava no nisehoan’io tranga io. Raha araka ny vaovao azo dia avy niantsena izy ireo no efa nisy nahatsikaritra fa nisy nanaraka. Nitohy tamin’ny fahafatesany avy hatrany ny tranga nisy saingy tsy nisy nahatsikaritra. Raha araka ny fantatra moa dia olona mila ravinahitra ny iray tamin’ireto Renim-pianakaviana ireto ary tao Ampataka izy no niasa. Mitohy araka izany ny fanarahan-dia hataon’ny fokonolona sy ny zandary manoloana ity halatra maso nitranga tany an-toerana ity. Efa misy ny toerana ahiahiana mety ahitana ireo jiolahy. Ankoatra ny halatra maso moa dia fantatra fa mirongatra ihany koa ny vaky trano ao Morondava tato anatin’ny tapa-bolana izao. Tokantrano maro no efa lasibatra raha araka ny fitarainana azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo fianakaviana mana-manjo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT