Fandriampahalemana

Morombe Nisy nanongotra ny voamason’ilay rangahy


  • Talata 06 Desambra 2022

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo omaly alatsinainy maraina no nalain’olon-tsy fantatra voamaso tao amin’ny Fokontany Beorinkazo,

kaominina ambanivohitra Antongo, distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Mbola velona ity lehilahy ity no nisy nanipy tany anaty kirihitra ka novonjen’olona. Nentina avy hatrany namonjy ny tobim-pitsaboana ao Antongo ny tenany araka izany. Raha araka ny fanazavany moa dia olona nitazona ny tanany no hany reny. Tsy nisy hitany kosa ireo naka ny voamasony fa ilay izy efa notsoahina tao amin’ny toerany sy nivoa-dra no reny. Tsiahivina moa fa tena mampitaraina fatratra ireo mponina any an-toerana tokoa ny resaka tsy fandriampahalemana indrindra fa ny resaka halatra voamaso. Tsy vao sambany mantsy no nisy tahaka izao hoy ny vaovao azo fa saika matetika mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Mbola nihosin-dra tahaka izao ity raim-pianakaviana ity no nisy nahita
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT