Fandriampahalemana

Morarano , Androndra Mpitsindrona rongony mahery vaika enin-dahy no tratra


  • Zoma 27 Janoary 2023

Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.

Tsikaritry ny Polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy fa misy toerana fifohana zava-mahadomelina mahery vaika eny an-toerana. Tsy niandry ela fa nidina avy hatrany ireto farany nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanaraha-maso ilay toerana voalaza. Lehilahy miisa 4 no tratra vokatr’izany izay 26 ka hatramin’ny 31taona. Tratra niaraka tamin’ny fitaovana fampiasa rehefa mitsindrona heroine izy ireo toy ny fanjaitra, capsule, ary briquet.Tamin’ny fanadihadiana dia niaiky ny telo tamin’izy ireo fa mpitsindrona. Nitohy hatrany moa ny fisamborana ka ny andro’io ihany dia tra-tehaka teny Ambohimanatrika Tanjombato ny lehilahy roa 27 sy 32 taona izay mpamatsy sy fividianan’izy ireo heroine. Mbola nahatrarana heroine milanja,1,94g tao amin‘ny trano fonenany nandritra ny fisamborana.Ny iray amin’izy roalahy ireto dia irakiraka raha mpamongady kosa ny lehilahy iray hafa. 5.000 Ar na 10.000Ar no hamarotany ny heroine 1 fonosana(rorona dose). Misy olona hafa kosa fividianany ireo entana ireo . Mahavita 30 fonosana ny 1grama. Mahalafo 10 ka hatramin’ny 15 fonosana izy ireo rehefa mivarotra. Tsy manome raha tsy ny olona fantany na izay mahafantatra azy ihany ilay irakiraka. Ireo mpitsindrona kosa dia mahalany roa fonosana isan’andro izay hatao maraina sy hariva.Efa nigadra moa ny iray tamin’izy ireo noho ny resaka fihinanana heroine. Vao nivoaka ny fonja vao roa volana lasa izy noho izany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy enin-dahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Izy enin-dahy mpisera sady mpitsindrona héroïne

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT