MORAMANGA

Notafihin'ny andian-jiolahy


  • Alatsinainy 26 Janoary 2026

mitam-basy ny ben’ny tanàna

notafihin'ny andian-jiolahy ny Ben'ny tanàna'ny kaominîna ambonivohitr'i Moramanga sy ny fianakaviany. Afak’omaly sabotsy tokony ho tamin’ny 11 ora alina, no nitrangan'izany tao amin’ny trano fonenany ao Bemasoandro. Araka ny fanazavana dia jiolahy mitam-basy am-polony no nanao ny fanafihana, izay naharitra adiny iray teo ho eo. Voatifitra teo amin’ny sandriny ny Ben’ny Tanàna, ary naratra koa ny zanany iray 6 taona. Noteren’ireo jiolahy hamoaka vola ny vadin’ny Ben’ny Tanàna ka lasa ny vola, ny finday ary firavaka maro toy ny peratra teny an-tanany. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny agent de sécurité taorian’ny antso vonjy. Raha vao hitan’ireo jiolahy izany dia nitifitra avy hatrany izy ireo ka voa teo amin’ny masony ny agent de sécurité iray. Vaky nandositra avy eo ireo jiolahy.Noentina eny amin’ny hopitaly ny Ben’ny Tanàna sy ny zanany, ary ilay agent de sécurité izay mbola misy bala tavela ao anaty lohany. Efa eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana hoy ny vaovao koa andrasana izay mety ho tohiny. Ilay agent de sécurité no fantatra fa ahiana mafy ny ainy.
Pati
Légende : Efa manaraka fitsaboana ilay Ben'ny tanàna (Sary Tv Plus Madagascar)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT