Tovolahy iray vao 17 taona monja no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Morafeno afak’omaly talata 01 aogositra
tokony tamin'ny 01ora sasany maraina rehefa avy namaky trano. Polisy nanao fisafoana no nahatazana tovolahy miisa roa nitondra fahitalavitra "écran plat, marika Samsung" sy "décodeur canal +". Vao nahita ny polisy izy ireo dia nirifatra nitsoaka ny iray raha voasambotra kosa ny iray. Mbola tratra teny amin’ity farany ireo télé écran plat sy décodeur canal +. Rehefa nosavaina ihany koa izy dia mbola nahatrarana fonosan- drongony. Midoika izany raha ny zava-misy no jerena fa mifoka rongony ihany koa ireo mpamaky trano ankehitriny mialohan’ny hanaovany ny asa ratsiny, antony hahavitan’izy ireny mamono olona indraindray.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy ampy taona tratra namaky trano tao Toamasina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.