Fandriampahalemana

Monja Roindefo “Efa tena tsy rariny ny halatra omby any atsimo”


  • Alatsinainy 30 Septambra 2019

Nandefa taratasy miantefa mankany amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo Zafitsimivalo manoloana ny raharaha fanagiazana omby any Atsimo,

 

 izay toa foko iray no kendrena, raha ny fahitany azy. Fakana an-keriny, vokatry ny tsy firindran’ny hetsi-panjakana enti-miady amin’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra izany, raha ny nambarany… Marina fa eken’ny rehetra ny hetsika ataon’ny fitondram-panjakana hiadiana amin’ny asan-dahalo. Ny mampalahelo, dia mivadika ho fanapotehana fotsiny an’ireo mpiompy manana omby an’arivony ny hetsika atao. Ary ny tena mampitebiteby, dia toa ny mpiompy avy amin’ny foko iray ihany no nokendrena, hoy ny fanamarihan’i Monja Roindefo. Ohatra amin’izany ny manjo an’Atoa Jaonary, Babo, Manamaro sy ny hafa koa tao amin’ny distrikan’i Morombe sy Manja. Olom-pirenena nandova omby maro tamin’ireo rayaman-dreniny nifandimby izy ireo. Tsy azo leferina ny fandrahonana azy ireo hotifirina avy hatrany, mba hanamorana ny fakany an-keriny sy amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny ombiny, hoy izy. Tao Betroka, dia notafihin’ny dahalo ny tompon’omby atao hoe Rehita Velombara. Nitory tany amin’ny Fitsarana any an-toerana i Rehita Velombara, fa tsy nanao na inona na inona anefa ny Fitsarana.  Niverenan’ny dahalo ary maty ny rahalahin’ny tompon’omby io, izy tenany naratra mafy ary ny omby rehetra lasa avokoa. Raha hakapoka ireo, ary dinihana akaiky ny nihatra tamin’Atoa isany Babo, Retohagnane, Soatogno, Tolike, Manamaro sy ny hafa tao amin’ny distrikan’i Morombe, dia azo heverina ho halatra bevava miaro ady ary fanenjehana foko iray no miseho. Misy mpiompy maromaro samy manana omby an’arivony manodidina ao, kanefa mahagaga fa tsy misy afa tsy ireo avy amin’ny foko iray ihany no norobaina, hoy ny praiminisitra teo aloha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT