Fandriampahalemana

Miverina indray ny kidnapping Nisy nibata teny Ambatobe i Anil Karim


  • Talata 28 Aprily 2020

Nanao fampahafantarana sy fanairana tamin’ny tambazotra serasera ny CFOIM (Collectif Français d'Origine Indienne de Madagascar) fa nisy naka an-keriny tetsy Ambatobe Panoramique i Anil Karim,

 

 

 

karana mizaka ny zom-pirenena frantsay, mpamongady fanafody sy fitaovana ara-pitsaboana. Raha niala teny Ambohibe Ilafy ilay Karana tokony tamin'ny folo ora latsaka fahefany tany ho any, dia nisy sakana vato ny lalana nandehanan'ny fiara nitondra azy. Vao nijanona izy dia nisy olona tonga nitondra moto nanambana basy, dia ny fiaran'ilay Karana ihany no nitondran’ireo olon-dratsy azy. Najanon’ireo mpaka an-keriny tamin'ny lalana Ambatobe Panoramique miazo an'Ambohimangakely ny fiara Ford Escape, miloko manga antitra, fiaran’ilay Karana vao niala kelikely ny toerana nisakanan’izy ireo azy. Fiara hafa no nitondra azy avy eo. Mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana izao. Efa misy Brigady manokana natao hiady amin’ny mpanao fakana an-keriny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao dia tara ny fampandrenesana mpitandro ny filaminana fa natahotra ny fianakaviana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT