Mitombo ny mpitandro filaminana lasibatra

Officier iray maty nisy namosavy tany Anjozorobe…


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Officier de police iray nodimandry omaly maraina tany Beronono Anjozorobe.

Polisy avy amin’ny FIP (Force d’Intervention de la Police) isan'ireo polisy mamita iraka any an-toerana izy, raha ny fanamarihana. Avy amin'ny andiany Mandresy moa ratompokolahy. Voalaza fa tratry ny fanapoizinana na famosaviana izy io, saingy tsy mbola nisy aloha ny fanazavana ofisialy mikasika an’io tranga io sy ny mety ho tao ambadik’izany. Ny tranga tahaka izao dia manamafy fa betsaka ny lonilonim-piarahamonina, ary mafy ny zavatra mety hianjady amin’ireo mpitandro ny filaminana. Eo ny fifanatrehana sy ady mivantana amin’ny olon-dratsy, fa eo ihany koa ny mety ho famelezana am-pitaka, tahaka itony mitranga itony. Vao andro vitsy ihany koa no nisy polisin'ny FIP miisa 4 niaraka tamin'olon- tsotra nandeha nisambotra olona tao Ankilimena Sakaraha, saingy izy ireo indray avy eo no voasambotra. Niantso vonjy tamin'ireo fokonolona tao Bepeha mantsy ireo tao Ankilimena fa hoe mpaka an- keriny ireto polisy sy ireo olona niaraka tamin-dry zareo. Raikitra ny fanakanana, nisy fifandonana, maty novonoin'ireo fokonolona ny olon- tsotra iray nitari-dalan an'ireo polisin'ny FIP. Voasambotr'zareo teo no ho eo ireo polisy miisa telo fa ny iray mbola tafatsoaka, saingy voasambotra ihany koa. Saika naratra avokoa ireo polisy , izay nisy ny voa mafy teo amin’ny lohany. Voatery tsy maintsy nandefasana mpitandro ny filaminana hafa nandamina ny raharaha. Izany no isan’ny zava-mitranga ankehitriny, izay tena mila fandinihana lalina sy fandrindram-piarahamonina mahomby.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT