Mitohy ny fihantsian’ny dahalon’Ankazobe

Olona 3 nalaina an-keriny, 1 maty, 1 naratra,…


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Tena manao ny hataony ny dahalo any amin’ny distrikan’Ankazobe no

sady mamono mahafaty olona hatrany. Raha araka ny loharanom-baovao voaray mantsy dia nitrangana fakana an-keriny indray tao Talatan’Angavo ny talata hifoha omaly Alarobia 24 Janoary alina tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’ireo lasibatra dia niditra tao an-tanana toy ireny hanafika ireny ihany ireo dahalo manodidina ny 20. Raim-pianakaviana iray nifanehitra tamin’izy ireo no avy hatrany dia notifiriny ka namoy ny ainy. Nasesin’ireo tsy mataho-tody indray ireo vehivavy sendra azy tao an-trano noho izany ka ny roa vehivavy efa lehibe raha mbola manodidina ny 11 taona eo ho eo kosa ilay iray fanintelony izay nentin’izy ireo nanaraka azy avy hatrany. Olona iray hafa ihany koa no naratra mafy ka efa nalefa eny amin’ny hopitalin’ny miaramila Soavinandriana hatramin’ny omaly hariva. Raha araka ny fanampim-baovao azo omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia lehilahy iray hafa ihany koa no notifirin’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo ny lohany ka mbola tsy fantatra izay mety ho tohiny. Tsy mbola nitaky vola na nanao fihetsika hafa tamin’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny ireo moa ireo jiolahy mpaka an-keriny hatramin’ny omaly hariva.


Rehefa tena zohiana, tena mihantsy ara-bakiteny ny dahalo, ka na teo aza ny fahasamborana sy fahafatesan’ny naman’izy ireo maro tao anatin’ny hetsiky ny mpitandro ny filaminana, ny fisian’ireo olona voarohirohy ho mpiray tendro aminy miisa 9 niboboka any am-ponja izay misy miaramila 5 voasaringotra tamin’ny fahafatesan’ny ben’ny tanànan’Andranomiely, ny karazana hazalambo mandeha ataon’ny andian-tafika,… dia toa arakaraka ireny no vao mainka mamporisika azy ireo hanao ny ataony. Efa nisy mihitsy aza moa tapa-bolana lasa izay ny karazana hafatra mifandrefy amin’ny mpitandro filaminana. Hary fitaovana ireo dahalo ka mbola fanontaniana mipetraka ny hoe : avy aiza sy iza marina no mamatsy an’ireny ?
Pati
Legende : Masiaka ny dahalo eto Ankazobe !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT