Mitohy ny aferan-tsokatra

Olona 3 voasambotra tao Toliara


  • Alarobia 04 Martsa 2026

Olona miisa 3 no voasambotra

androany tao Toliara noho ny raharaha fitrandrahana sokatra an-tsokosoko. Niaraka tamin’izy ireo dia sarona ihany koa ny sokatra 167, vokatr’ilay fidinana ifotony nataon’ny Fitalevana miady amin’ny kolikoly (DULC) eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Hetsika notanterahina taorian’ny tatitra avy amin’olona tsara sitrapo, izay nanome vaovao momba ny trafika sokatra. Taorian’ny fanadihadiana dia fantatra fa tambajotra mpanao trafikana sokatra ireo olona voasambotra ireo, ary misy ifandraisany amin’ny heloka bevava sy famotsiam-bola. Nisy fiaraha-miasa akaiky tamin’ny DREDD Atsimo Andrefana sy ny Polisim-pirenena – Unité d’Intervention Rapide (UIR) ao Toliara, izay nandray anjara mivantana tamin’ny fisamborana. Mbola mitohy ny fanadihadiana, mikendry ny hamantatra ireo mpiray tsikombakomba amin’ireo olona tratra. Ankasitrahana manokana ireo mpanome vaovao sy ny fanohanana avy amin’ny Wildlife Justice Commission, izay nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny hetsika. Ny fisamborana tao Toliara dia manamarika dingana lehibe amin’ny ady amin’ny trafika sokatra, heloka bevava izay manohintohina ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara. Manaporofo fa mbola misy hery sy fahavononana hiaro ny sokatra sy ny zavaboary ny fiaraha-miasa eo amin’ny rafitra samihafa sy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny olom-pirenena. Na izany aza, mbola betsaka ny afera avo lenta ao ambadik'itony aferan-tsokatra ity satria heverina ho mbola ireo trondro madinika itony sarona ity fa ny matretre mbola milamina manohy ny afera goavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT