Fandriampahalemana

Mitohy ihany ny asan-dahalo Omby 60 indray no very tany Maintirano


  • Talata 10 Septambra 2019

Omby miisa 60 no indray very tao amin’ny kaominina Andranovao, distrikan’i Maintirano, faritra Melaky.

 

Raha ny fantatra, dia tokony ho tamin’ny folo ora alina no nitrangan’ny halatra. Nampandre ny zandary tao Tambohorano ny ben’ny tanàna Andranovao. Vokatr’izay, dia omby miisa 60 no indray lasan’ireo andian-dahalo manodidina ny folo nitondra basim-borona. Nanara-dia avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona ary namonjy ny kizo tao Marovava niandry ireo malaso, ireo mpanara-dia. Fotoana fohy taorian’izay, dia tonga ireo  dahalo niaraka tamin’ny omby halatra.  Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, ka rifatra nandositra ireo malaso, rehefa tsy naharesy tosika ny zandary sy ny fokonolona nanara-dia. Navelany teo ny omby halatra ary efa tafaverina tamin’ny tompony ireo biby ireo, araka ny vaovao azo farany.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT