Misy toe-javatra hafahafa ao Toamasina…

Mifampiandry kendritohana ny polisy sy zandary ?


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Mafampana ny raharaha tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy,

fa isan’ny tena mampivarahontsana ny ao Toamasina. Sesilany ny fanafihana samihafa, vono olona,… ka isan’ny mbola mampiahiahy hatramin’izao ny fahafatesan’ilay lehilahy iray 28 taona vao andro vitsy, izay mbola mifamahofaho tanteraka ny raharaha famonoana azy. Ity farany izay maty notsatotsatohana ny antsy ny vatany. Voalaza fa mpanome vaovao ny zandary na « agent de renseignement » izy io, fa misy ihany koa ny filazana fa jiolahy novonoin’ny namany. Asan-jiolahy tsotra sa misy resaka valifaty ? Tena tsy fandriampahalemana tsotra ny mitranga sa misy afera avo lenta hafa ? Mijanona eo amin’ny sivily fotsiny sa misy hidiran’ny mpitandro ny filaminana ny toe-draharaha ao Toamasina ? Tena mifankahazo sy mifameno ireo rantsan’ny mpitandro ny filaminana sa misy ny ady mangatsiaka sy fifampiandrasana kendritohana ? Raha ny feo miainga ao Toamasina mantsy amin’izao fotoana izao, izay tena saropady saingy tsy maintsy potsirina, eny fa na ny ao anatin’ny mpitandro ny filaminana aza nahazoana vaovao mari-pototra amin’ny fisiana fifanentanana ho mailo eo anatrehan’ny mety hisiana valifaty noho ny fisiana lonilony. Ahiana ho isan’ny anton’io ny raharaha fisamborana manamboninahitra Kaomisera iray tao Mahanoro, izay mpitandro ny filaminana zandary iraky ny Bianco no voalaza fa nitarika ny iraka nanao ny asa, ary niafara tamin’ny fampidirana am-ponja an’io manamboninahitra io. Raharaha faharoa ny ny nanagadrana ny koaomisera iray izay nitana andraikitra ambony teo anivon’ny polisim-pirenena tao Toamasina teo aloha. Matetika fandre eto amintsika ny fisiana saonjo iray lohasaha any anatin’ny mpitandro ny filaminana izay lasa miray tendro amin’ny jiolahy ka sanatria misy endrika an’izay ve ao Toamasina ? Sa sanatrian’ny vava mifandrora tsy maimbo tokoa ny samy mpitandro ny filaminana ka mifampiandry kendritohana sy mety ho tonga hatrany amin’ny fifamaliana faty? Tsy finiavana hanakorontana saim-bahoaka sanatria, ary saropady sy tena stratejika ny fitandroana filaminana, ary tena iankinan’ny fitandroana sy fametrahana ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka, ary mifameno ny mpitandro ny filaminana na inona na inona rafitra misy azy ka sao sanatrian’ny vava ny mety ho endrika ady mangatsiaka sy ny fifampiahiahiana na fifampiandrasana kendritohana no vao mainka hitera-doza hafa?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT