Misesisesy ny fakana an-keriny

varira Zazavavy kely vao


  • Alatsinainy 01 Jona 2026

herintaona sy tapany notapahan-doha

Zaza varira iray antsoina hoe Landricia na « Cia » no nisy naka an-keriny tao Toliara ny 28 mey, ary notaperin’ireo olon-dratsy tamin’ny fomba feno habibiana ny ainy. Vatana mangatsiaka efa tsy nisy lohany intsony no hita tao amin’ny fokontany Antsihanaka, kaominina Betsinjaka ny takarivan’ny sabotsy teo. Nalevin’ireo olon-dratsy teo an-tokotanin’olona iray voalaza fa ombiasa ny razana, izay efa tsy nisy lohany intsony. Raha ny fanazavana ankampobeny, nalain'ny dahalo an-keriny tao amin’ny Ray aman-dReniny ity tao Ankalika Toliara zazavavy kely varira sahabo ho herintaona sy enim-bolana ity, antsoina hoe Landricia na i « Cia » ity. Mirahavavy iray tampo izy ireo no manana toe-tena varira, saingy tsy nentin’ireo olon-dratsy ilay zokiny. Niezaka nanohitra an'ireo dahalo ny rain'ilay zaza saingy tsy nahatohitra fa tratry ny be noho ny vitsy sady voadaroka ka torana tsy nahatsiaro tena. Naratra mafy sy tsaboina ao amin'ny hopitaly Toliara ny tenany amin'izao fotoana izao. Mpiambina tanàna no asan'ny Ray aman-dRenin'ilay zaza, raha ny voalaza fa fanazavan’ny Raibeny. Andro mbola maizina, tokony tamin’ny 1ora maraina no nidiran’ireo olon-dratsy an-keriny tao amin’ny toerana nisy azy ireo, ka rehefa tafiditra dia io naka an-keriny an'io zaza io. Nanomboka teo no tsy hita izay nanjavonan'i « Cia ». Niezaka nanao fanarahan-dia ihany ny fokonolona saingy very ny dian'ireo olon-dratsy ireo ka voatery niverin-dalana ny mpanenjika. Izao efa novonoin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny fomba feno habibiana izao ilay zaza vao hita ny vatany, raha mbola tsy fantatra izay misy ny lohany hoe : nalevina amin’ny toeran-kafa sa any am-pelantanan’ireo olon-dratsy ? Nisy finday « foza » an’ireo jiolahy latsaka, ary efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana. Miverina sy miha mahery vaika hatrany indray ny fakana an-keriny varira satria vao tapa-bolana lasa no nisy zaza varira vao 13 taona monjanisy nanapa-doha, ka lasan'ireo dahalo ny lohany ny 17 mey 2026 teo, tao amin’ny fokontany Tanamivony kaominina Marosakoa distrikan’i Marovoay. Tao Ivaona Betroka indray, zaza 8 volana varira no nalaina an-keriny, tsy hita na nisy aza ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona, saingy jiolahy iray antsoina hoe Rambo no voatifitra. Mbola misitery hatrany hatreto ny antony hakana ireo olon-dratsy azy ireny hoe : atao sorona amina fitrandrahana harena ve ? Hanaovan’ny dahalo ody ratsy toy ny masobe tsy mahita ?
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT