Mirongatra ny mpisoloky

Ireo mpivarotra sy mpividy saribao indray no lasibatra ankehitriny


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Mitsiry hatrany ny hevi-dratsin’ireo mpisoloky eto amintsika mba hahazoam-bola haingana.

Manampy trotraka izany ny fahantrana izay efa tena mihanaka ka any amin’ireo mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy ireo no tena mamely. Anisan’ireny ny mpivarotra saribao amin’ny gony, katsaka amin’ny gony sy ny apombo… Raha 32.000 Ar ka hatramin’ny 35.000 Ar no tena vidin’ny saribao iray gony lehibe amin’izao eny amin’ny mpivarotra dia hamidin’izy ireo 25.000 ka hatramin’ny 28.000 Ar ny azy. Tsy manana entana anefa izy ireo saingy mitety trano mihitsy ary milaza fa manana saribao tsara amin’ny gony mahazaka 250 Kg no sady kininina tsara avy any Ambalavao. Mankany amin’ilay tena mpivarotra ilay mpisoloky avy eo ary milaza fa tsy manana saribao intsony ao an-trano fa raha mety dia mba hampitondraina ilay ankizy mpilanja saribao ny entana dia tonga any an-trano omeny ny gony sy ny vola. Efa diso mahazatra ireo mpivarotra saribao loatra izany ka raikitra ny fifanarahana. Aterina any amin’ilay Madama milaza hividy ny saribao ny entana aorian’izay ka hajanona eo am-bavahady ilay mpibata. Mody alefany indray ity farany aorian’izany fa hoateriny hono ilay vola kinanjo tonga dia manjavona izy. Miala maina ilay bandikely mpilanja entana vokatr’izany. Ny tompon'ilay saribao eo an-daniny miady amin'ilay bandikely sady very saribao iray gony raha tsy hay hatao inona ilay mpividy saribao. Tsy mpivarotra saribao ihany moa no tratran’ity tranga ity fa efa niaina izany koa ireo mpivarotra apombo sy katsaka amin’ny gony.
Pati
Legende : Efa tongan’ny mpisoloky ihany koa ny sehatry ny fivarotana saribao ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT