Fandriampahalemana

MIRONGATRA NY FANJIFANA RONGONY


  • Zoma 20 Novambra 2020

1- Tovolahy 18 taona no mpamatsy “Heroine” eny 67 Ha Ahiana tsy ho voafehy intsony ny fivarotana zava-mahadomelina eto amintsika.

 

 

Tovolahy vao erotrerony roa izay samy 18 taona no tratran’ny Polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy teny amin’ny 67 ha ny 18 novambra 2020 lasa teo tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro. Nivarotra heroine izy ireo raha araka ny fantatra. Tafiditra hatrany amin’ny fanenjehana hataon’ny Polisin’ny STUP Anosy amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izay mitarika fitondran-tena tsy mendrika eny anivon’ny fiaraha-monina izao fisamborana izao. Heroine milanja 1,23gr no tratra teny amin’izy ireo nandritra izany. Araka ny fantatra dia mividy 1gr izy amin’ny vidiny 50.000 ariary ; tsinjarainy ho 07 izany ka hamidiny 5000Ar ny iray avy eo. Natolotra ny fampanoavana ny 19 novambra teo izy roalahy. Tsy vao izy roalahy ireto no saron’ny polisy namatsy sy nivarotra “Heroine” fa efa maro, ary voatondro fa ireo teratany vahiny sy olona manan-katao no tena manjifa ity rongony mahery vaika ity eto Antananarivo.

 

Mety efa lasa tahaka ny fanampin-tsakafo mihitsy angamba ny fifohana rongony raha mandinika ny vaovao satria  dia olona miisa 4 indray no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny STUP Anosy tamin’ny faritra samihafa teto an-drenivohitra ny 18 novambra lasa teo noho ny resaka fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina. Vehivavy ilay iray tratra voalohany teny Manjakaray tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. 35 taona izy io ary mbola nahitana rongony 14 fonosana teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Raha araka ny fanazavany dia hamidiny 1.000 Ar ny fonosana iray amin’ireo rongony tratra teny aminy ireo. Mbola vehivavy koa ilay faharoa izay efa 43 taona. Teny amin’ny faritr’Amboanjobe indray no tratra ity farany tokony ho tamin’ny 1ora tolakandro tamin’io andro io ihany. Rongony 16 fonosana indray no tratra tany aminy izay hamidiny 1.000 Ar ny fonosana iray. Teny Ambohimanarina kosa tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro no tratra ny lehilahy iray 27 taona izay nahatrarana fonosan-drony miisa 19 fonosana . Vidiany 5.000 Ar ny fonosana lehibe ka tsinjarainy ary hamidiny 1000 Ar ny fonosana kely. Mahalafo 05 fonosana isan’andro izy raha ny fanazavany. Ny lehilahy faharoa kosa dia 32 taona, voasambotra teny Ivanja Ambohitsoa. Ity farany indray dia mifoka ka mahalany 1 fonosana isan’andro ary mbola nisy fonosan-drongony 15 isa tao aminy izay vidiany amin’ny olona mpandalo. Natolotra ny fampanoavana omaly avokoa izy 4 mianadahy ireo.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT