Fandriampahalemana

Mirongatra ny asan-jiolahy Zaza amam-behivavy telo lasa takalon’aina


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Toerana samihafa, andro iray. Zaza dimy taona tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania sy tovovavy roa tany amin’ny Faritra Boeny no lasan’ny mpanao ankeriny, tamin’ny alahady teo.

 

Jiolahy mitam-piadiana mahery vaika am-polony no nadravarava tao an-tanànan’i Betaba, fokontany Tsinjorano, kaominina Manerinerina ao amin’ny distrikan’Ambatoboeny ny alin’ny alahady teo tamin’ny 9 ora sy sasany, raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena avy etsy amin’ny Toby Ratsimandrava.  Tovovavy 25 taona roa no nalain’izy ireo ho takalon’aina tamin’ny fanafihana tokantrano efatra. Lasibatra ihany koa ireo firavaka sy fanana sarobidy. Tsy nisy ny omby nalain’izy ireo fa tranom-bala telo amin’ny 7,62 mm no latsaka teo an-toerana izay singa entina hanohy ny fanadihadiana. Nihazo ny lalana nianatsimo somary atsinanana ireo olon-dratsy. Vinavinaina  hihazo ny kaominina Sarobaratra, Tsaratanana izy ireo. Ny zandarimariam-pirenena ao Manerinerina no nandray an-tanana ny fanarahan-dia. Nisy zazakely koa lasan’ny Jiolahy efatra mitam-piadiana mahery vaika, tao Ambondromisotra, Fandriana, Faritra Amoron’i Mania. Tamin’ny 7 ora harivan’ny alahady teo ihany koa no nitrangan’izany, araka ny vaovao ofisialin’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Andrefanambohijanahary. Norobain’ireo olon-dratsy tamin’izany ihany koa ny vola mitentina 300.000 Ariary. Ny zandary tany an-toerana niampy tosika avy amin’ny Miaramila no nidina nanatanteraka ny fanarahan-dia.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT