Mampiteny ny moana ity tsy fandriampahalemana andro aman’alina eto amin’ny firenena ity.
Tsy natao hanaratsiana ny mpitandro ny filaminana, fa zary lasa fanesoan’ny olona maro ny azy ireo sy ny fitondram-panjakana ny hoe mirarakopana ny fanondrotana manamboninahitra jeneraly, saingy mba mitombo isa ihany koa ny jiolahy, ary torak’izany ny traikefany. Eo ny mety ho tsy fahombiazan’ny mpitandro ny filaminana fa mampametra-panontaniana hoe: maivana loatra ve ny sazy ka tsy manan-tahotra intsony ireo olon-dratsy sa kosa ny kolikoly no efa tena tandra vadin-koditra ? Aiza ve ka olona tokony higadra 12 taona any Antalaha ny lehilahy antsoina hoe Djibril noho ny resaka vono olona efa ho 2 taona izay, kanefa mbola nahavita namono olona teny 67Ha ny volana desambra lasa teo. Nandeha ny fikarohana nataon’ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy hita hatramin’izao ary tsy tratra matoa tsy nisy resaka intsony. Ny feo mandeha aza moa dia hoe efa tafavoaka any am-pitandranomasina satria voalaza fa zanaka olona mahitahita. Mazava ho azy, fa tsy nisy ny famoahana didy tsy fahafahana mivoaka any ivelany (IST) sy fanaovana taratasy maloto, raha mitombina tokoa io resaka fahatafatsoahana any ivelany io. Tapina hatreo ny daomy, ary matimaty foana ilay olona novonoiny raha ny fahitana azy. Ny volana septambra 2017, dia nampifanjinja ny zandary sy mpandraharahan’ny fonja tany Ambatondrazaka ny momba ny fahatrarana olon-dratsy, izay voalaza fa tokony higadra, saingy tratran’ny zandary tany Ambodimangan’i Jesy nanao asan-jiolahy. Nivoaka mihitsy ny resaka tamin’ny famotorana nataon’ny zandary, fa mandoa 200 000Ar amin’ny mpiandry fonja dia milamina, ka isan-kerinandro no tsy maintsy manao “pointage”. Tsy sanatria natao hanenjehana ny mpitsara na ny mpandraharahan’ny fonja fa inona no marina sy diso ao anatin’ireny raharaha isan-karazany ireny ? Malalaka tokoa ve ny fivoahana rehefa manam-bola, ka tsy atahorana intsony ny manao asan-jiolahy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.