Mirongatra indray ny zaza very

Lasibatra na ny kely indrindra na ny miala sakana


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Nentin’ny olona tsy fantatra i Kaylie anio hariva ( TTF : ny harivan’ny sabotsy teo)

tamin’ny 4 ora, hoy ny renina zaza iray monina ao Antanimalandy, Mahajanga. Tsy mbola niverina hatramin’izao, hoy izy ny sabotsy teo, ka hiangaviana izay mahita azy na manam-baovao hiantso ny laharana 0320499243. Zatovovavy iray 17 taona ihany koa no tsy hita hatramin’ny zoma teo raha voalaza fa niala tao an-tranony tao Antsirabe hihazo an’Antananarivo. Mbola zatovovavy ihany koa, 16 taona, no nanaovan’ny ray aman-dreniny ombay mitady ny 1 may teo fa tsy hita niaraka tamin’ny olon-tiany tamin’iny andro iny. Nisy nahita teny amin’ny lalan’i Mahazoarivo ho any Ankadimbahoaka izy ireo, raha ny fampitam-baovaon’ny rain’ilay tovovavy tamin’iny sabotsy iny, ary ilay zatovolahy niaraka taminy dia sady nitsaoka niaraka taminy no nilaza tamin’izay nanontany rehefa fa miaraka aminy ilay tovovavy. Hita ho mirongatra indray, araka izany, ny zaza very eto amin’ny firenena ary na ny kely indrindra na ny miala sakana dia lasibatra avokoa tato ho ato.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT