Mirado zaza15 taona, nirahina nividy kafe

Hita faty omaly, olona efa nigadra no namono azy


  • Talata 12 Septambra 2023

Omaly vao hita ny vatana mangatsiakan’i Mirado, ilay tovolahy kely vao 15 taona monja nirahina nividy kafe kinanjo

nanaovan’ny sasany teti-dratsy ka tsy namelany raha tsy afaka ny ainy. Ny 02 Septambra lasa teo izy raha tsiahivina no nirahina nividy kafe tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza ao Mahitsy. Tsy niverina intsony anefa ny anaolahy. Rehefa nandeha ny fikarohana dia nahazo antso tamin’ny finday ny Ray aman-dRenin’i Mirado izay nitaky vola mitentina 1.500.000 Ar tamin’izy ireo raha te-hahita an-janany velona. Indrisy anefa fa teny amin'ny tendrombohitra Tsiankaranosy, kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza no novonoin’ireo tsy mataho-tody ilay zaza. Rehefa nanokatra fanadihadiana ny zandary miasa ao amin'ny Poste Avancé Mahazaza sy ny borigadin’i Mahitsy dia lehilahy iray vao avy namita sazy nandritra ny 15 taona tany Antanimora no tratra ary fantatra fatompon'antoka tamin'izao raharaha izao. Niaiky ny heloka vitany izy ary hatolotra ny fitsarana Anosy afaka rahampitso Alarobia.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lehilahy namono an’i Mirado !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT